Fifamoivoizana

Toby fiantsonana Fasan’ny Karana Tafapetraka ny tonelina fidiovana


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Tafapetraka eny anivon’ny tobim-piantsonan’ny Fasan’ny Karana ny sabotsy teo ny « tunnel désinfectant » na tonelina fidiovana sy ireo afisy ahitana ny saran-dalana ara-dalàna ho an’ireo zotra rehetra miasa ao aminy,

 

 

 raha ny fampitam-baovao teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana omaly. Hampizotra antsakany sy andavany ny fandraisana ireo mpandeha, ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa entina handresena ny Covid 19 no tanjona, hoy ny fanazavana. Tonga nijery ny fandaminana samihafa teny an-toerana ny avy amin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, notarihin’ny Sekretera Jeneraliny. Ho fitandroana ireo fitaovana samihafa, indrindra fa ny tonelina fidiovana dia napetraka ny fifanarahana ara-taratasy teo amin’ny ministera sy ny mpitantana ny tobim-piantsonana eny amin’ny Fasan’ny Karana. Isan’ireo tobim-piantsonana nametrahana « tunnel désinfectant » ihany koa ny eny amin’ny MAKI eny Andohatapenaka, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT