Fifamoivoizana

Toby fiantsonana Fasan’ny Karana Mitombo ny gaboraraka, manjaka ny loto


  • Zoma 21 Aprily 2017

Anisan’ny tobim-piantsonana iray tena mampitaraina ny maro tokoa ny etsy amin’ny Fasan’ny karana.

 

Anisan’ny tobim-piantsonana iray tena mampitaraina ny maro tokoa ny etsy amin’ny Fasan’ny karana. Ankoatra ny fotaka izay tena mandrevo, indrindra rehefa fahavaratra dia manjaka tanteraka ny mpanera. Misy ireo sahy mandrirotra entan’olona mihitsy ary mitondra izany mitsoaka. Ao koa ireo manery ny mpanjifa handeha amin’ny fiara tsy mety aminy… Mitombo isan’andro ihany koa ny gaboraraka ataon’ny mpitatitra, indrindra rehefa ankatoky ny fety, antony miteraka fitohanana lavareny amin’iny faritra iny. Tsy voarindra ny fiainan’ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny karana ka ilana fotodrafitrasa vaovao manara-penitra. Olana anefa raha ny fanazavan’Andriamatoa Fredinard lehiben’ny mpitatitra ao an-toerana izay anisan’ny nangataka voalohany ny toby fiantsonana vaovao eny Antohotapenaka ny tsy fakan’ny minisiteran’ny fitaterana ny hevitr’izy ireo mihitsy fa tany amin’ny kaonfederasionan’ny nasionalin’ny mpitatitra (CNT) iretsy voalohany no nandeha. Izahay anefa no tena mahalala tsara ny haben’ny faritra mety amin’ny mpitatitra tsirairay avy sy ny filana rehetra, hoy hatrany izy. Nomarihiny fa manaiky hifindra izy ireo saingy mbola mangataka hatrany ny amin’ny tokony hakana ny heviny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT