Fifamoivoizana

Toby fiantsonana Ampasampito Nitombo 5000 Ar ny saran-dàlana


  • Talata 23 Novambra 2021

Efa nilaza sy nanamafy ny voalaza tamin’ny 10 novambra ny avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy,

 ary ireo solontenan’ny mpitatitra ny faran’ny herinandro teo, fa tsy misy fiakarany izany ny saran-dalàna manomboka ny 22 novambra, saingy tsy voahaja izany. Omaly, nampiakatra ihany ny mpitatitra tetsy amin’ny Toby fiantsonana Ampasampito. Niakatra ho 20.000Ar ny saran-dàlana mihazo an’i Vatomandry raha 15.000Ar izany teo aloha. Lasa 25.000 Ar ny mihazo an’ Ilaka Est raha 20.000 Ar izany teo aloha, 30.000Ar raha 25.000 Ar izany teo aloha. Nilaza ireo mpitatitra fa hitokona izy ireo raha toa ka midina indray io saran-dalana io satria maty antoka izy ireo. Nisy mihitsy ny karazana fampitandremana nataon’ny manampahefana ny herinandro teo, fa tsy azo atao ny mampiakatra saran-dàlana fa ny komity manokana izay hotendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany no manapaka izany, saingy tsy te hiraharaha an’izay izany ireto mpitatitra ireto. Aiza ho aiza ny fipetraka sy fankatoavana ny fahefam-panjakana amin’izany? Ara-drariny ve ny fampiakarana amina elanelany 5000Ar be izao? Rahoviana marina vao ho tafatsangana ilay komity handinika ny toe-draharaha ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT