Fifamoivoizana

Tobin-tsolika Misy tsy azo itokisana intsony


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Hatramin’ny fotoana nampahoraka ny raharaha solika mitapoka dia tsikaritra ho maro ihany koa ankehitriny ireo

mpanjifa amina tobin-tsolika no velon-taraina manoloana ny hafitsok’izy ireny rehefa miantsona haka lasantsy na solika eo aminy ireo mpanjifa sy ny fiarany. Araka ny nambaran’ny renim-pianakaviana iray dia lasantsy mitentina 40.000 Ariary, izany hoe, tokony ho 6,89 litatra no novidiany tamina tobin-tsolika iray ny sabotsy teo kanefa dia saika tsy tafody izy ireo rehefa avy nanatitra olona tamina kilaometatra vitsy monja. Efa tsy azo itokisana intsony, hoy ity renim-pianakaviana ity, ankehitriny ny tobin-tsolika eto Madagasikara fa dia aleo mailo hatrany. Tsy hay intsony na efa hain-drizalahy hatramin’ny manodina io tabilao famaran-tsolika io, hoy kosa ny mpamily iray, fa dia aleo mitondra zerikanina na “bidon” hatrany rehefa hanjifa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT