Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Nametraka toerana fanaovam-baksiny avokoa


  • Alarobia 16 Jona 2021

Anisan’ny toerana tena be olona mpivezivezy ny eny anivon’ny tobim-piantsonana.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ireo toerana ahiana sy hanaparitaka haingana ny valan’aretina Covid 19 izy ireny araka izany, antony nanosika ny tompon’andraikitra hametraka toerana fanaovam-baksiny eny amin’izy ireo. Ankoatra ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Maki Andohatapenaka dia nametrahana izany ihany koa ny ao amin’ny Tobim-piantsonana Fasan’ny Karana ka mandritra ny 3 andro no hanaovana izany vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 izany izay tsiahivina hatrany fa maimaim-poana no sady tsy an-tery. Ho an’ny andro voalohany omaly dia fantatra fa ireo mpamily no tena navitrika tamin’ny fanaovam-baksiny ankoatra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Na izany aza dia mbola azo lazaina ho vitsivitsy ihany ireo tena resy lahatra, hetsika mboa hitohy anio sy rahampitso iarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT