Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Maki Nomena « badge » manara-penitra ireo mpiasa 400


  • Talata 16 Febroary 2021

Miroso hatrany amin’ny sehatra matihanina ny mpitantana ny Tobim-piantsonana MAKI

 

 

eny Andohatapenaka sy ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro. Ho fandaminana sy ho fanamafisana ny fanaraha-maso eny an-toerana, dia nozaraina “badge” ireo mpisehatra maherin'ny 400, ao anatin’ny tobim-piantsonana Maki. Fomba iray hahafahana manara-maso ireo mpiasan’ny kaoperativa (mpandray ny mpandeha any anaty box sy ireo mpamatotra entana) mahazo alalana hiditra sy hiasa eny antoerana ny « badge », hoy ny Minisitera mpiahy. Amin’ny alalan’ny teknolojia mampiasa ilay antsoina hoe: «reconnaissance faciale», no hisavana ireo mpiasa sy ny « badge” asehony eo am-pidirana. Mandalo milina, ka iny no manamarina ilay olona sy ny mombamomba azy. Ankoatr’izay, nomena fiofanana momba ny fikirakirana solosaina avokoa ireo mpiasa rehetra tsy maintsy mampiasa ity fitaovana informatika ity, mba hahamatihanina tanteraka ny fomba fiasa. Tokana ny tanjona, dia ny fandrindràna ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, ny asa eo anivon’ny tobim-piantsonana MAKI, ho tombotsoan’ireo mpandeha sy ny mpitatitra, hoy hatrany ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT