Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana MAKI Fiara miisa 225 no miainga isan’andro


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Fiara 200 ka hatramin’ny 225 isan’andro no miainga eny amin’ny toby fiantsonana nasionaly Maki Andohatapenaka

raha araka ny fanazan’ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo.Mizotra amin’ny lalam-pirenena voalohany, faharoa, faha efatra ary faha enina izy ireo.Ny mandeha any Mahajanga (RN4) no maro an’isa indrindra satria mahatratra 74 isan’andro.Mpandeha 4300 eo ho eo noho izany no miainga isan’andro eny Andohatapenaka.Mbola latsaka kely ireo tarehimarika ireo raha oharina ny tamin’ny taona 2019, izany hoe mialohan’ny valanaretina sy ny fihibohana, satria dia 300 isan’andro ny fiara niainga teny amin’ny tobim-piantsonana Maki ny tamin’izany, indrindra moa fa rehefa vanim-potoan’ny fialan-tsasatra.Nohamafisin’ny mpitantana ihany koa fa misy ny fanarahamaso eo am-piaingana ka jerena ao anatin’izany ny taratasin’ny fiara sy ny lafiny ara-teknika ; tsara ho marihina ihany koa fa misy ny « caisse unique » amin’ny fandoavana ny saran-dalana mba isorohana ny mety ho halatra sy fisolokiana..
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT