Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana MAKI Efa mipetraka ny fandaminana momba ny zotra RN1 sy RN4


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Hisokatra manomboka amin’ny zoma sy sabotsy ho avy izao ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina ary voalohany mifandray amin’ny Faritra Analamanga.

 

Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana izany ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka ary fantatra fa horaisina avokoa izay mpandeha rehetra ho avy eny an-toerana. Tsy maintsy tonga ora iray mialoha kosa ny fiara handeha isaky ny koperativa hanaovana ny famendrahana ranom-panafody ka fiara iray isaky ny ora iray no alefa. Ho an’ireo mpandeha kosa raha araka ny fanazavana azo omaly dia tsy maintsy mitondra dika mitovy amin’ny karapanondrony izy ireny, tsy maintsy mandalo eo amin’ilay ivon-toerana fitsapana hafanana, manosotra gel desinfectant, mandoa saran-dalana amina ivon-toerana tokana ary manaraka ny fandaminana amin’ilay fiandrasana ny ora fiaingana ao anatin’ilay fanajana ny elanelana 1 metatra. Vonona ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy voasoratra anaty Manifold avokoa ny mpandeha rehetra ka ho an’ireo mpandeha niditra teny an-dalana tsy niainga tany am-potony dia ny mpitandro ny filaminana no handray an-tanana izany. Nomarihin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana moa fa rehefa misokatra ny lalam-pirenena voalohany dia voakasika ihany koa ny miazo an’i Soavinandriana sy Faratsiho.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT