Fifamoivoizana

TOBIM-PIANTSONANA FASAN’NY KARANA Tsy misy mahazo manao dona miverina


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Antony iray mety hitera-doza ary hamoizana ain’olona maro amin’ny fotoana tsy hampoizina ny fanaovan’ny mpamily iray dona miverina.

Rehefa reraka noho ny halaviran-dalana nataony mantsy ny mpamily iray indrindra fa raha nandeha alina dia tokony haka aina hatory tsara mba hampilamina ny sainy sy ny vatany. Misy anefa ireo mbola minia ny manao izany ihany na koa maika hamonjy mpandeha hafa ka ireo entina handroso na miverina no hatao antsirambina ny fitandroana ny ainy. Ho an’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana manokana dia efa nandraisana fepetra izy ireny hisorohana ny loza mety hitranga. Tsy misy mahazo manao dona miverina intsony ireo mpamily taxi brousse na dia iray aza. Izay tonga dia maka aina miandry ny torony manaraka indray. Ho an’ireo mpandeha kosa indray dia tsy misy indrafo ireo izay tara fa avy hatrany dia mijanona. Rehefa amin’ny 04 ora hariva ohatra no tokony hiainga ny taxi brousse iray dia amin’ny 04 ora hariva mihitsy no mandeha hisorohana ireo dahalo mety hitora-bato sy ireo mpisakan-dalana. Ho an’ireo sendra taraiky dia tsy misy intsony ny indrafo araka izany. Tafiditra ao anatin’ny ady hatao amin’ny loza mety hitranga mandritra izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao avokoa, izay mahabetsaka ny mpandeha izany rehetra izany. Am-polo maro isan’andro moa amin’izao ireo taxi brousse mivoaka etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana ka ireo miazo an’i Morondava no betsaka indrindra.
Pati
Legende : Mitera-doza tahaka izao ny fanaovana dona miverina ho an’ny taxi brousse !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT