Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana fasan’ny karana Nakatona tanteraka, fiara an-jatony no tsy afa-mihetsika


  • Zoma 09 Aprily 2021

Nakatona tanteraka nanomboka ny alarobia teo ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana.

 

Ho fampiharana ilay fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana ny amin’ny tsy hahafahan’ireo zotra rezionaly sy nasionaly mivezivezy intsony ivelan’ny Faritra Analamanga intsony no anton’izany ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Fiara an-jatony araka izany no voatery nampitsahatra ny asany.

AVY LAVITRA

Ireo fiara avy lavitra toy ny avy Sambava, Antsohihy ary Fort Dauphin sisa araka izany no afaka miditra etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Na izany aza anefa hoy Atoa Randriamparany Martin, filohan’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana dia ireo voamarina soa aman-tsara ao anaty manifold ihany ny mombamomba ilay fiara sy ny olona entiny no afaka miditra fa tsy ny rehetra. Hatramin’ny androany hoy hatrany izy raha voamarina fa tena fiara avy any amin’ny faritra saro-dalana ilay miditra dia afaka miditra izy ireny.

AFAKA MIDITRA NY MPITONDRA ENTANA

Ho an’ireo fiara mitondra entana kosa dia afaka mivezivezy hatrany izy ireny saingy avy any amin’ny vavahady atsinanana hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity no miditra sy mivoaka. Nakatona nanomboka ny Alarobia teo mantsy ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ary tsy azo hivezivezena intsony. Mbola nohamafisina izany ny Alakamisy lasa teo narahin’ny fametrahana ireo mpiambina toy ny polisy sy ny mpiambina eny amin’ny tobim-piantsonana hiarovana ny fahasalaman’ny rehetra. Tsy misy mpivarotra intsony araka izany etsy amin’ny Fasan’ny Karana. Tsy misy intsony ihany koa ireo fiara afaka maka parking toy ny teo aloha fa tsy maintsy nalefa nody avokoa.

FIARA AN-JATONY NO TSY AFAKA MIHETSIKA

Fiara an-jatony araka izany no tsy afaka mihetsika manohy ny asany toy ny teo aloha intsony raha araka ny fanazavan-dRandriamparany Martin, miparitaka amina kaoperativa miisa 35. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy mbola hangataka na inona na inona amin’ny Fitondram-panjakana izahay fa manaja ny fepetra noraisina. Ny hamporisihinay ny fanjakana hoy hatrany izy dia ny tokony hijerena ireo olona marary sy manana havana namoy ny ainy mba hahafahan’izy ireny manefa ny adidy. Tafiditra ao anatin’izany ny fividianana oxygene hamatsiana ny hopitaly hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

MATY ANTOKA AN-TAPITRISANY

Na izany aza anefa dia velon-taraina ireo tompona fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Antananarivo amin’ireo faritra manodidina . Maty antoka an’hetsiny isaky ny mandeha mantsy izy ireo indrindra fa ho an’ireo toerana be mpandeha toy ny miazo an’Ambositra ohatra izay mitambatra ho an-tapitrisany. 25.000 Ar mantsy izao ny saran-dalana miazo an’i Fiaranatsoa ho an’ny olona iray raha 45.000 Ar kosa ny miazo an’i Morondava. Misy amin’ireo mpamily sy ny mpanampy azy araka izany no tapaka sotro fihinanana avy hatrany raha vantany vao tsy mandeha. Ho an’ireo mandray karama isam-bolana kosa dia mbola baraingo izany indrindra raha sanatria mbola mitohy ny hamehana ara-pahasalamana. Ho ana tompona fiara fitateram-bahoaka iray dia 8 hetsy Ar sahady hatreto ny fatiantoka ho an’ny fiara iray. Ireo kojakoja anefa tsy maintsy aloha hatrany hoy izy izay mahatratra 4 hetsy Ar i san-taona ny fiantohana na assurance, 4 hetsy Ar torak’izay ihany koa ny patanty raha mahatratra 5 tapitrisa Ar ny manolo motera ho an’ireo izay tokony hanao izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT