Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana fasan’ny Karana Miverina miasa ara-dalàna taorian’ny fiatoana kely


  • Zoma 24 Febroary 2023

Niverina amin’ny laoniny ny asa fitateram-bahoaka miazo ireo lalam-pirenena rehetra eto amintsika nanomboka omaly,

rehefa niato nandritra ny roa andro vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Freddy. Ho an’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana manokana dia nambaran’Atoa Martin Andriamparany, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana fa efa miasa izy ireo taorian’ny nanangonany ny vaovao avy amin’ny Ministeran’ny fitaterana, ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny ministeran’ny asa vaventy ary ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Tsy nisy mihitsy mantsy ho an’ny lalam-pirenena fahafito ny hazo tapaka, ny tany nihotsaka….hoy ny fanazavany ka tsy misy ahiana araka izany ny ain’ny mpandeha. Na izany aza hoy ity tompon’andraikitra ity dia tsy nisy fiakarany ny saran-dalana. Voakasika avokoa na ho an’ireo miainga etsy amin’ny Fasan’ny karana izany na ireo miditra eny an-tsasa-dalana. Ampy tsara ihany koa ny fiara fitaterana na taxi brousse hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Pati
Legende : Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fitaterana miazo ny lalam-pirenena fahafito amin’izao.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT