TOBIM-PIANTSONANA FASAN’NY KARANA

Mitombo ireo taxi-brousse tsy manara-dalana


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara mivoaka sy miditra eto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ny fialan-tsasatra

lehibe no mankaty ho an’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Lohalaharana amin’ireny ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny mombamomba azy. Mbola misy ihany anefa ireo tsy manara-dalana toy ny zavatra hita sy nitranga teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Fiara miisa 6 izay taxi brousse avokoa no nosazian’ny tompon’andraikitra sy tsy navelan’izy ireo nandeha raha nikasa ho any Toliara. Mpandeha manodidina ny 200 isa noho izany no saika nihitsoka raha tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Tsy nisy voatomboka avokoa mantsy ny carte violette-n’ireo fiara ireo izay nambaran’ny tompon’andraikitra fa mety noho ny fahamaizan’ny mpamily handeha ve sa noho ny filaharana diso tafahoatra etsy amin’ny Centre d’immatriculateur etsy Ambohidahy ?. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity tobim-piantsonana iray ity moa fa ain’olona no lalaovina noho izany tsy azon’izy ireo ekena velively ny mety tsy ho fahatomombanan’ny fiara na ny antontan-taratasiny hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana. Lasa ihany moa ireo mpandeha miisa 200 ireo saingy efa tamin’ny 07 hariva kosa. Tsy ireto fiara miisa 6 ireto ihany fa efa betsaka moa ireo efa nandika lalana tato anatin’ny 3 volana izao ho an’ity tobim-piantsonana iray ity hatrany.
Pati
Legende : Tsy misy gaboraraka intsony ety amin’ny Fasan’ny karana amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT