Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana fasan’ny Karana Marobe sahady ireo nanao famandrian-toerana


  • Talata 08 Septambra 2020

Taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena afak’omaly Alahady alina mikasika ny fisokafan’ny zotra nasionaly sy rezionaly amin’ny lalam-pirenena fahafito sy

 

 

fahaefatra ary voalohany manomboka amin’ity herinandro ity dia efa marobe sahady ireo mpandeha tonga nanao famandrian-toerana teny amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana omaly. Efa nahatratra 20 isa izany omaly maraina hatramin’ny 10 ora atoandro saingy mbola tsy afaka nandray azy ireo ny tompon’andraikitra. Marobe ihany koa ireo niantso an-telefaonina saingy mbola nolavina ihany koa. Nambaran’ireo tompon’andraikitra nandritra izany fa mbola miandry fandaminana izy ireo. Tsy maintsy mbola hisy hoy hatrany ny fanadihadiana natao ny fivoriana hiarahan’ireo lehibe koperativa rehetra hahafahana mandray ny fepetra mikasika ny ady hatao amin’ny valan’aretina Covid 19. Anisan’izany ny fametrahana toerana fanasan-tanana amin’ny savony, ny fitiliana ny hafanan’ny mpandeha….. ankoatra ny famendrahana ranom-panafody ireo fiara hiasa rehetra izay vao mandray ireo mpandeha. Tanjon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity tobim-piantsonana ity moa ny hampandeha araka ny tokony ho izy ny asany, nefa ihany koa manaja ny fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana ny ain’ny mpandeha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT