Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Aranta Mahajanga Tsy eken’ny mpiasa ilay “caisse unique”


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Tsy manaiky ny fametrahana ilay "caisse unique" ny mpiasa rehetra ao amin'ny tobim-piantsonana nasionaly ao Aranta Mahajanga.

 

 

Nisy ny hetsika nataon'izy ireo nentina nanoherana izany afak’omaly sabotsy 12 septambra. Anisan’ny antony tsy haneken’ireo mpamily sy ny koperativa ity fandoavam-bola tokana ity moa ny fananan’izy ireo mpanjifa manokana efa zatra sy tia azy. Misy ihany koa ireo mpanjifa tsy mandoa saran-dalana raha tsy efa tonga any amin’ny toerana tokony alehany ankoatra ireo mandoa saran-dalana mivantana amin’ny mpamily sy ireo olona mety horaisina eny an-dalana. Manohitra izany avokoa anefa ny fametrahana ity toerana fandoavana saran-dalana tokana ity, koa miantso ny tompon’andraikitra sy ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izany izy ireo.Tsiahivina moa fa tokony hisokatra rahampitso talata 15 septambra ny zotra mampitohy ny tananan'i Mahajanga sy Antananarivo (RN4) ary ny RN7 mianatsimo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT