Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Tsy mbola mihatra ilay saran-dalana tokana


  • Zoma 09 Martsa 2018

Mbola betsaka ireo kipitson-javatra nampanantenain’ny fitondram-panjakana tsy mbola tanteraka hatreto eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao eny Andohatapenaka. Anisan’ireny ilay fametrahana ny ivon-oerana fitakiam-bola ho an’ny saran-dalana tokana iarahan’ny koperativa rehetra.

 

Mbola misy ihany ireo koperativa sasany manondrana, raha ny fitarainan’ny mpandeha teny an-toerana omaly. Ankoatra izay dia mbola misy ihany koa ireo mpanera tonga eny an-toerana misintona na mifandrombaka entan’olona izay miandriandry eny ivelan’ny tobim-piantsonana, indrindra fa ilay vao maraina be iny. Manjaka tokana ihany koa ny toerana fivarotana sakafo masaka ao amin’ity tobim-piantsonana iray ity raha ny fitarainan’ireo mpandeha hatrany satria dia lafobe avokoa ny sakafo hatolony ho an’ny mpanjifa.  Ho an’ireo koperativa indray dia mbola olana sedrain’izy ireo ny tsy fahafahany miantsona eny an-toerana amin’ny alina noho ny fahateren’ny toerana fa tsy maintsy mitady toeran-kafa. Ankoatra izay moa dia simba sahady taorian’ireny ranon’oram-be ireny ny lalana miditra ao amin’ity tobim-piantsonana iray ity. Tsiahivina moa fa vao tamin’ny volana novambra lasa teo no notokanana ity tobim-piantsonana etsy Andohatapenaka ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT