Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Raikitra ny sahotaka


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Nakaton’ireo tompon’andraikitra etsy amin’ny tobim-piantsonana vaovao etsy Andohatapenaka ny toeram-piasan’izy ireo ny sabotsy maraina teo.

  Noho ny tsy mbola nandraisan’ny fanjakana andraikitra manoloana ny fakan’olon-tsotra ny tanin’izy ireo no voalaza fa antony, hetsika izay nambaran’izy ireo fa mbola fanairana fotsiny ihany. Tsy nahafaly ireo mpitatitra sy mpandeha kosa anefa ity tranga ity satria teny ivelany izy ireo no voatery nameno. Ho an’ireo mpitatitra dia ny fahatafidiran’ireo mpisoloky no tena olany, tranga izay tsy voafehy na dia ao anatin’ny tobim-piantsonana aza, miampy ny olana sedrain’ny mpandeha amin’ny fiarovana ny entany. Ho an’ireto farany kosa indray dia ilay fikarohana ny toerana nisy ireo taksibrosy tokony ho nandehanany no tena olana, niampy ny fanararaotan’ireo mpanera izay tena tsy voasakana tokoa.  Nihenjan-droa ny tady, hany ka voatery namerina ireo fiara tamin’ny toerany ireo tompon’andraikitry ny tobim-piantsonana ny sabotsy folakandro teo nanomboka tamin’ny 1 ora sy sasany. Nanambara moa ireto farany fa tsy hijanona hatreo ny hetsika. Tapitra tamin’ny zoma hariva teo mantsy ilay 48 ora nomeny ny fitondram-panjakana mba hamahana ny olana. Hivory maika miaraka amin’ireo tompon’andraikitry ny koperativa rehetra mampiasa ny lalam-pirenena voalohany, faharoa, fahefatra ary fahafito izy ireo amin’ity herinandro ity ka ho hita eo izay mety ho tohiny. Tsiahivina fa niteraka fitohanan’ny fiara goavana tety Andohatapenaka ny fisian’ity fivoahan’ny fiara mihazo ny lalam-pirenena voalohany sy fahefatra ity teny ivelany.

 Pati

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT