Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Nisy ireo koperativa no tsy nanaiky ny hifindra


  • Zoma 02 Martsa 2018

Saika nisy korontana ihany teny amin’ny tobim-piantsonana Ambodivona omaly nandritra ny famindran-toerana ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena voalohany sy fahenina.

 
 Nisy tamin’ireo koperativa sasany mantsy no tsy nanaiky ny hifindra noho ny antony maro. Anisan’ireny, ohatra, ny famerana ny fiara ho lasa roa isan’andro monja isaky ny koperativa no mandeha  raha nahatratra 20 ny an’ny sasany teo aloha. Mbola betsaka amin’ireo fiara ireo nefa no manenjika volan’olona, raha miankina amin’ny asa hataony ihany koa ny hihinanan’ny vady aman-janak’ireo mpamily. Eo ihany koa ny hateren’ny toerana etsy Andohatapenaka ankoatra ny fiarovana ny ain’ny mpandeha noho ny fisian’ireo karazana fiara miainga amin’ny 5 ora hariva…Mbola olana ihany koa, raha araka ny fanazavan’ireo koperativa saika nikomy ireo  famatorana ny entan’ny mpandeha izay noferana ho olona dimy isaky ny koperativa ihany no miandraikitra izany…..Nanaiky ny nifindra ihany anefa izy ireo. Nisy moa hatramin’ny omaly ny fivoriana notarihin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety nentina nandinihina izany hahafahana mitady izay marimaritra iraisana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT