Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Nangataka fihaonana ilay olon-tsotra namefy ny tany


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Niteraka resabe teto an-drenivohitra nanomboka ny alakamisy hariva teo ny fisian’ireo olon-tsotra namefy ny ampahan-tany mbola an’ny tobim-piantsonana etsy Andohatapenaka.

 

Tamin’ny andro alina raha araka ny fantatra, tsy nisy fifampiresahana  no nanaovan’io olon-tsotra io izany ka tena nampitroatra mafy ireo mpitatitra tokoa. Teo an-danin’izay, hoy ireo tompon’andraikitra, dia azy ireo ny tany, toerana nokasain’izy ireo mbola hanaovana asa fanitarana. Nanome 48 ora nanomboka ny alakamisy teo ny fanjakana ireto mpitatitra ireto  mba hanalana io olon-tsotra io amin’ny taniny. Raha vao nahare ny vaovao anefa ilay olon-tsotra dia tsy nitsahatra ny niantso an-telefaonina ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity tobim-piantsonana iray  ity omaly  mba hiresaka sy hifampiraharaha.  Tsy nampanantena ny hanatona kosa anefa ity farany. Raha sanatria tsy hihaona  moa ny roa tonta dia fantatra fa hikatona tanteraka ny tobim-piantsonana eny Andohatapenaka manomboka anio sabotsy. Raha manaiky ny hiala kosa io olon-tsotra io dia hitohy toy ny mahazatra ihany ny asan’izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT