TOBIM-PIANTSONANA

ANDOHATAPENAKA Nahalasa fiara 140 isa isan’andro talohan’ny fety


  • Talata 22 Aprily 2025

Betsaka ireo olona nivoaka ny faritra tamin’ny Fetin’ny Paska lasa teo raha oharina amin’ny isan-taona.

Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse Andohatapenaka mantsy dia nahalasa fiarakodia 140 isan’andro izy ireo nanomboka ny Alakamisy 17 Aprily teo raha 90 isa isan’andro izany amin’ny andavanandro. Ny miazo an’i Mahajanga, Toamasina, Faritra Sofia ary Diana no tena betsaka indrindra. Na izany aza tsy mpitsangatsangana no tena betsaka tamin’izy ireo fa ao ihany koa ireo mpanao varo-mandeha nanenjika fety tany amin’ny faritra. Na izany aza moa ny hamaroan’ireo olona nivoaka ny faritra dia fantatra fa tsy nisy fiakarany ny saran-dalana. Nampitaraina ny maro kosa anefa ny nafitsok’ireo taxi-brousse sasany niazo an’Antsirabe. Nisy nampiakatra saran-dalana hatrany amin’ny 25.000 Ar mahery mantsy ny sasany indrindra tamin’ny Sabotsy 19 Aprily teo. Nifandrombahana tanteraka mantsy ny fivoahana niazo an’Antsirabe. Ankoatra ireo namangy havana sy Ray aman-dReny nanao fety tany ambanivohitra dia tsy vitsy ihany koa ny namonjy ilay hetsika Star Tour, fampisehoana goavambe mampiavaka ny tananan’Antsirabe rehefa fetin’ny Paska tahaka izao.
Pati
Legende : Betsaka ireo olona nanao fety tany amin’ny faritra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT