Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Maina ny karama, velon-taraina sahady ny koperativa


  • Talata 08 Janoary 2019

Velon-taraina ny amin’ny tsy fisian’ny karama sahady ireo mpitatitra mihazo ny faritra etsy amin’ny toby fiantsonana Andohatapenaka. Raha ny fanadihadiana natao dia zara raha mahalasa fiara iray isan’andro ny koperativa iray, indrindra fa ny mianavaratra toy ny mihazo an’Ambilobe, Ambanja, Antsohihy.

 

 

 

 

Mbola lany ora iray na roa anefa  izy ireo mameno fiara  ary voafetra ihany ny ora fiaingana ialana amin’ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana. Noho ny tsy fananan’ny olona vola no voalaza fa antony mahatonga izany. Saika lany vola tamin’ny fety avokoa mantsy ny rehetra ka ireo tsy maintsy mandeha noho ny asa fitadiavana sisa no mandeha, indrindra ireo mpanao varo-mandeha. Nomarihin’ireo koperativa sasany etsy Andohatapenaka fa tsy mbola nisy niakatra ny saran-dalana mianavaratra hatreto.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT