Fifamoivoizana

TIM K 25 Boriboritany fahaefatra Hanatsara ny fiantsonan’ny fasan’ny Karana


  • Talata 05 Martsa 2019

Manoloana ny fitarainan’ireo mpanjifa sy mpitatitra eo anivon’ny toeram-piantsonana eny amin’ny Fasan’ny Karana izay ahitana fako misavovona mety

 

 

 

hiteraka aretina sy ny asa fanao andavanandro dia nidina ifotony teny an-toerana ny solontenan’ny mpikambana eo anivon’ny TIM K 25 notarihan’ny kolonely Emilien Ramboasalama sy ireo ekipa vitsivitsy ny herinandro teo. Hatsaraina ny toeram-piantsonana, raha ny fanazavana. Nalana tamin’ny alalan’irony fiarabe irony moa ireo fako ary nentanina hitandro ny fahadiovana ireo mponina. Hitohy ny fanatsarana sy fanadiovana ao amin’ny boriborintany fahefatra, hoy ny kolonely, ary hiparitaka amina fokontany maro ny tetikasa ho fiombonana amin’ireo mponina ho famahana ny olana sedrainy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT