Nambaran’ny Madagascar Airlines fa hitarina ny fe-potoam-piasan’i Thierry de Bailleul,
Tale Jeneralin’ny kaompaniam-pitateran’ity an’habakabaka ity. Nambara fa tafiditra ao anatin’ny drafitra fanavaozana “Phénix 2030”, izay heverina ho tetikasa stratejika hanarenana sy hanavaozana tanteraka ny rafitra sy ny tolotra ara-pitaterana an’habakabaka eto Madagasikara ny fitazonana an’ity Tale Jeneraly vazaha ity. Na izany aza, ny zava-misy marina amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka eto Madagasikara, dia tsizarizary sy mitsipozipozy, tsy mbola tena misy tsirim-panantenana mazava, taratry ny fitantanana tsy mahomby sy fahapotehana manjo an’i Madagasikara. Hatramin’ny fananganana indray ny Madagascar Airlines taorian’ny faharavan’ny Air Madagascar, dia tsy mbola hita taratra mazava ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-teknika eo anivon’ity kaompania ity, fa toa nihazakazaka ho bokan-trosa, tolotra tsirazizary,... Tsy ampy ny fiaramanidina miasa, mikatso matetika ny sidina anatiny, ary mijaly ny mpandeha amin’ny tsy fahampian’ny serivisy sy ny fandaminana. Ny fanavaozana dia tsy tokony hijanona amin’ny fanitarana fe-potoam-piasan’ny mpitantana fotsiny, fa tokony hifantoka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra, fanamafisana ny fahatokisan’ny mpanjifa, ary fampitomboana ny fahafahan’ny kaompania miasa amin’ny fomba maharitra sy mangarahara. Ny sidina ato anatiny olana na ny tolotra, na ny sarany,… ka asa ho tratra ve ilay hoe : 2026 mieritreritra hanao sidina iraisam-pirenena ? Raha tsy misy fanovana fototra sy fandraisana andraikitra hentitra, dia hijanona ho drafitra an-tsoratra fotsiny ny Phénix 2030, ary hihitsoka hatrany ny fitaterana an’habakabaka eto Madagasikara. Efa betsaka ireo fampanantenana poakaty toy ny hoe : hanofa amin’ny endrika fividianana tsikelikely ny fiaramanidina marika brezilianina embraer,… fa nankaiza ? Lasa fanao ity hoe : miantso vazaha hanarina orinasam-panjakana ity dia aiza izao ny Madagascar Airlines sy ny Jirama? Karamaina vola tsy toko tsy forohana kanefa tsy hita izay vokatra ? Tena tsy mahay ve ny Malagasy ? Io fa mifoha ankehitriny fa fahiny isika nanana boeing sy airbus maro, fa potika nanomboka ny 2009, ka nanjavona hatramin’ny fiaramanidina an’ny Repoblika nampiasain’ny filoha tamin’izany. Izao mandeha ny fikarakarana sidina hitondra mpanohana ny Barea any Kenya amin’ny sabotsy tsy maintsy hifampiraharaha amin’ny vahiny. Raha nanana fiaramanidina anefa isika tena mety azo natao ny nitatitra olona tsy mandoa saran’ny sidina fa tsy hoe : antsasany !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.