TETIKASA TELEFERIKA

Atahoran’ny olona ilay « cable » sy « cabine »…


  • Zoma 12 Aprily 2024

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

Teleferika eto an-drenivohitra voalaza fa ho enti-miady amin’ny fitohanana etsy sy eroa. Efa madiva hifarana ny asa fanamboarana toy ny fametahana cable. Efa vita ny épissure na ny fanenjanana ny cable hoy ny vaovao azo omaly. Amin'izao indray dia mametaka ireo fibre optique ny orinasa mpanao izany. Tsy io hitan'ny maso amin’izao io anefa no cabine tokony ho izy sy ny hafainganam- pandeha fa cabine de service na cabine hoenti-miasa manatanteraka ireo asa rehetra tokony atao eny ambony eny fotsiny izy io, hoy hatrany ny ilay vaovao. Betsaka amin’ireo mponina sahady mantsy no mihorohoro rehefa sendra mitazana izany miakatra ambony ny maso eny Anosy eny. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa isaky ny misy asa hafa tsy maintsy hatao eny ambony eny dia hampiasaina io cabine de service io. Ankoatra ilay cabine moa dia marobe koa ireo mpanjifa matahotra ilay cable noho ity farany heverina fa manify dia manify nefa hilanja ilay cabine sy hitatitra olona betsaka isan’andro.
Pati
Legende : Hiasa tsy ho ela ny teleferika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT