Nivory fanintelony tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo omaly ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ilay tetikasa fanatsarana ny lalam-pirenena faha 2 sy ny manodidina azy na ny Tatom.
Ankoatry ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ry zareo Japoney moa dia hita teny an-toerana koa ireo fiarahamonim-pirenena sy sehatra tsy miankina ary solontenam-panjakana. Tatom na Antananarivo, Toamasina, Moramanga. Izany hoe ny lalana sy lalamby mifandray amin’ireo no hasiam-panamboarana fa ankoatr’izay dia ezahana hampiroboroboana ao anatiny koa ny orinasa madinika na ny PME/PMI. Hametraka tondrozotra iombonana moa ireo mpiara-miombon’antoka mba hahafahana mivonona raha hitombo avo 2 na 3 heny aorian’izao ireo mponina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.