Naneho ny fitarainany tetsy amin’ny fonenan’izy ireo etsy Ankadindramamy, ampitan’ny Station Shell, omaly ireo tokantrano, isan’ny didin’ny fanjakana
Malagasy tsy maintsy miala amin’ny toera-ponenany anio 19 jona 2020. Araka ny fanazavan’izy ireo dia misy ilay antsoina hoe “raccordement” avy eo Ankerana mivoaka eo amin’ny Shell Ankadindramamy ambany izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamboaran-dalana na “Projet Rocade Nord Est” izay avy eny By-Pass mivoaka eny Andranobevava. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra sy fivoriana samihafa ary voalaza fa tsy voakasiky ny tetikasa izahay, hoy izy ireo, fa amin’ny ilany atsinanana ihany. Nahazo fahazoan-dalana ara-dalana izahay ny taona 2016. Nandeha ny volana sy ny taona dia nolazaina fa nifindra amin’ny ilany andrefana manaraka ny lakandrano indray ilay izy. Tsiahivina fa ity trano misy anay ity dia efa ny taona 2008 no nahazo “permis” ara-dalana hiorina eto, hoy hatrany ny solontenan’ireo fianakaviana. Tafiditra tamin’ny tetikasa indray, noho izany, ny ampahany amin’ny toerana misy anay ary satria moa nolazaina fa nohon’ny antony fanasoavam-bahoaka no hanaovana izany dia nekenay. Hamafisinay tsara, hoy izy ireo, fa ny trano iray amin’ny ilany manaraka ny “Canal” ihany no efa nonerana fa tsy ny tany velively, araka ny voalazan’ny minisitera. Taty aoriana, izany hoe ny taona 2019, dia nambara indray fa ny taninay manontolo mirefy 9a 32ca izay misy trano miisa 6 miorina eo amboniny dia tafiditry ny tetikasa avokoa ka ilain’ny fanjakana. Manao antsoavo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo, noho izany, mba hijerena vahaolana maika satria dia nohamafisiny fa na ireo nanaiky ny tetikasa na tsia dia mbola saika tsy nahazo fanonerana avy amin’ny fanjakana avokoa, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.