Fifamoivoizana

Tetikasa natao maimaika Miha sarotra ny fametrahana ny teleferika


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Taorian’ny tombana nandritry ny fivorian’ny komity tekinika eo anivon’ny ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana eto amintsika na ONE

dia naneho ny heviny mikasika ny tetikasa fitaterana an-tariby na teleferika kasaina ho atao eto Antananarivo na CTE ity ofisim-pirenena ity. Maro ihany koa, hoy izy ireo, ny teboka nojerena mikasika ireo tsikera samihafa izay hita fa mitombona. Maha be ahiahy ny fahafaha-mametraka andry lehibe hitondrana ireo fitaterana an-tariby na “pylône’’ manamoro ny katedralin’Andohalo. Mangataka ny hanovana izany amina toeran-kafa noho izany ity komity ity. Rehefa nojerena koa ny fampahafantarana rehetra avy eo anivon’ny BNGRC momba ireo risika mifandraika amin’izany toy ny resaka fitomboan’ny faritra mena, ny olana mifandraika amin’ny kolejy Masina Misely, ny eny amin’ny lemaka atsinanan’ny vohitra misy ny Rova dia hita fa mila fandinihina lalina ny fametrahana ny ankamaroan’ireo ‘’pylône’’. Mitaky noho izany ity komity ity ny amin’ny hisian’izay fandalinana izay eo amin’ny toerana na “géotechniques”, ny toetoetry ny fitaovana apetraka amin’ireo toerana ireo fa tsy santionany fotsiny, izany hoe ny resaka “géophysiques”, tsy manohitohina ny maha vakoka ireo harena manan-tantara misy amin’ireo toerana andalovan’izany ve izy io? Ilaina tsinona ny fisian’ny vavolombelon’ny tantara mba hampaharitra ny maha izy azy ny fiarahamonina iray. Ny CTE dia mitaky ny fametrahana ireo fiantsonana na TPC ho aorian’ny garan’I Soarano. Ho an’ireo fiantsonana hafa kosa dia takiana ao anatin’izany ny fanajana ny maha kanto ireo toerana handalovan’ilay fitaterana an-tariby. Santionany fotsiny izany rehetra izany, raha ny fanazavana hatrany, fa ny fananganana fotodrafitrasa goavana toy itony sy ny mety ho fivoarana entiny amina sehatra maro dia na ny eo anivon’ny fanjakana na ireo minisitera voakasika, ireo parlemantera, ny vondrona itsinjaram-pahefana sy izay nanohana ny hanatanterahana izany rehetra dia tsy nisy nahavita nanala ny ahiahy sy ny adihevitra mbola ho apetrak’izany. Raha atao bango tokana araka izany dia isan’ny tsy mety asiana “pylône”, ohatra, eny Andohalo sy Amparibe satria ambony be ny risika mety hampitera-doza. Inona intsony moa izany ? Tena resy lahatra ve ny fitondrana ankehitriny fa ampy ny fotoana nandinihina ny fomba fanatanterahana ity tetikasa ity ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT