Fifamoivoizana

Tetikasa “Lamina” hitsinjovana ny manan-kilema Homena loka izay taksibe mendrika


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Sokajin’olona manana olana goavana amin’ny fisitrahana ny fiara fitaterana ny olona manan-kilema eto amintsika na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.

 

Manana zo manokana anefa izy ireny rehefa eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka, saingy matetika voahitsakitsaka tanteraka. Anisan’ny voatonona ho manao izany ny ankamaroan’ny mpamily sy ny mpanampy azy. Noho izany indrindra no nandraisan’ny ONG Lalana andraikitra amin’ny fampiharana sy ny fampanajana amin’ny alalan’ny hetsika fandresen-dahatra mba hanamorana sy hanatsarana ny fahafaha-mivezivezin’ireny olona sembana sy manan-kilema ireny, izay hovoizina ao anatin’ilay tetikasa LAMINA (LAlanjotra MIaty ny NAmana). Hapetraka ny hoe “mpitatitra namana akaikin’ny olona sembana sy manan-kilema”, ka hisy fifaninana hampanaovina ny taksibe amin’ny fanatanterahana azy io. Homena ny taksibe manao ezaka amin’ny fanajana ny zon’izy ireny, ka misy olona maro be hipariraka any anaty taksibe amin’ity herinandro ity. Homena fankasitrahana ny mpamily, resevera sy ny “candenceur”, ary ny koperativa ho an’izay hita fa mendrika sy fitaratra eo amin’ny kalitaon’ny asa, indrindra fa ny fanajana ny zon’ny sembana sy mitsinjo azy ireny, dia hotolorana fankasitrahana. Harahi-maso akaiky ao anatin’ny 10 andro manomboka ny 27 novambra ireo taksibe voasokajy ho mendrika, ka homena naoty ny mpamily sy ny mpanampy, ny koperativa ao anatin’ny UCTU, UCTS, FMA miaraka amin’ny tompon’ny fiara, izay samy hanaovana tombana avokoa. Ao anatin’ny 2 volana ny hametrahana ny tetikasa, izay hifarana amin’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny vokatra tamin’ny fifaninana natao. Miara miasa ONG Lalana amin’ny  fanatontosana ny tetika LAMINA ny minisiteran’ny mponina, minisiteran’ny fitaterana, ATT, UCTU, UCTS, FMA,…


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT