TETIKASA FLY OVER

Fotodrafitrasa sy trano maro no tsy maintsy harodana


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Foto-drafitrasa sy trano maro no tsy maintsy harodana eny Anosizato eny ato ho ato.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mponina voakasika dia efa mandeha ny fanadihadiana hataon’ny tompon’andraikitra amin’izao hahafantarana ny tombam-bidin’ireo trano sy foto-drafitrasa tsy maintsy harodana ary hohefain’ny Fitondram-panjakana izany. Ho an’ireo foto-drafitrasa manokana dia fantatra fa voakasika ny an’ny orinasa JIRAMA izay mitondra herinaratra goavambe tokoa, raha toraka izany ihany koa ny an’ny orinasa Telma. Tsy latsa-danja amin’ireo ny tranon’olon-tsotra izay efa mahatratra am-polony maro ka 20 tapitrisa Ar raha kely no teti-bidin’ny iray. Manahy ny amin’ny hahasarotra ny fitakiana ny vola ho fanoherana ny vidin’ny tranony sahady araka izany ireo mponina voakasika. Matetika mantsy dia efa mivezivezy amam-bolana maro vao vita ny taratasy rehetra ilain’ny tompon’andraikitra mikasika ilay tany sy trano raha mbola fotoana hafa ihany koa no hiandrasana ilay vola tambiny. Haharitra 24 volana moa ity tetikasa Fly over hatao etsy Anosizato ity, izay vatsian’ny BADEA vola.
Pati
Legende : Hatao roa ny tetezana eto Anosizato ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT