TETIKASA FLY OVER

- DEPIOTE VOAHANGY


  • Zoma 31 Jolay 2026

Miantso ny vahoakan'Atsimondrano hanam-paharetana

Raikitra ilay tetikasa Fly over hanaovana lalana vaovao ambonin'ny arabe entina hamahana ny fitohanana mivoaka etsy Anosizato Atsinanana raha avy any amin'ny distrikan'Atsimondrano. Napetraka tamim-pomba ofisialy omaly ny vato fototry ny asa fanamboarana, izay hialohavan'ny fahapahan-dalana hatramin'ny rahampitso Sabotsy 01 Aogositra hahafahana manao ny fandaminana rehetra. Manoloana izany indrindra dia miantso ny vahoakan'Atsimondrano mba hanam-paharetana ny Depiote Voahangy Raharimanarivo, voafidy teny an-toerana. Notsiahiviny fa mihamafy isan'andro ny fitohanana eny Atsimondrano. Izany indrindra hoy izy no nanosika anay nanao ady sisika tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michael ny amin'ny tokony hamahana izany olana goavana mianjady amin'ny mponina izany ka tonga soa amantsara izy ity. Nivoaka avy tamin'ny alalan'ny LFR na ny Loi de finance rectificative ny teti-bola hanaovana ny asa raha ny nambarany, izay nisaorany manokana ny Mpitondra ankehitriny. Niantso ny vahoakan'Atsimondrano ihany koa ny tenany mba tsy ho voarebirebin'ireo fanetriben'ny firenena. Mahareta fa hanana ny soa hoy hatrany izy sady narahiny tsiky kely niampy fialan-tsiny ny amin'ny mety hisian'ny fanelingelenana. Na izany aza dia fantatra fa tsy hikatona tanteraka ny lalana mandritra ny fanatanterahana ny asa. Hisy ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fanokafana lalam-piviliana eny amin'ny "RN1" mba hampihenana ny fahasahiranan'ny mpampiasa lalana. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa ihany koa ny fanatsarana ny lakan-drano sy ny famindrana ireo tambajotran'ny JIRAMA ary ireo foto-drafitrasa hafa voakasika.
Pati
Légende : Depiote Voahangy Raharimanarivo, voafidy teny amin'ny distrikan'Atsimondrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT