Fifamoivoizana

Tetikasa “fly over” Anosizato sy Ampasika Mila miomankomana ireo hafindra toerana


  • Talata 12 Janoary 2021

Hanomboka tsy ho ela ny asa fananganana ny fotodrafitrasa “Fly Over” na

 

 

 

tetezana sy làlana mitsingevana etsy Anosizato sy Ampasika, araka ny serasera mandeha amin’izao fotoana izao. Eo am-pandinihana ny asa fanomanana rehetra ny Minisitera tompon'andraikitra ka hamoaka ny anaran'ny Orinasa nahazo ny tolo-bidy, hoy ny fampahalalam-baovao. Tsiahivina, fa tany amin’ny 15 jolay 2020 no namoahana ny “appel à manifestation d’intêret” ho an’ireo orinasa te hanao ny asa, ary nifarana ny 03 aogositra 2020. Nambara tamin’izany, fa hanomboka mialohan’ny fiafaran’ny taona 2020 ny asa. Marihina fa 20 tapitrisa dolara indramina avy amin'ny BADEA (Banque Arabe de Développement en Afrique) no hanatanterahana izany. Fampindramam-bola azo aloha anatin'ny 30 taona izy io, amin'ny zana-bola 1%, ary afaka 10 taona vao hanomboka ny fanonerana azy. Raha tena hanomboka tokoa ny asa, dia efa mila miomankomana izany ireo mety ho voakasika eny amin’ny manodidina, fa ho maromaro no tsy maintsy hifindra sy hafindra toerana satria tena midadasika ny asa ary misy fenitra tsy maintsy hajaina amina fotodrafitrasa tahaka itony fa tsy tahaka ny arabe nahazatra hatrizay ka hoe ho feno mpivarotra sy tsena amin’ny sisin-dalana..

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT