Fifamoivoizana

Tetikasa fanamboaran-dalana Ny vahiny no tena mahazo tombony


  • Alarobia 23 Mey 2018

Anisan’ny tondro iray ahafahana mitaratra ny fandrosoan’ny firenena ny fahatsaran’ny lalana ao aminy.

Ilaina ny fanamboarana lalana vaovao sy ny fanatsarana ny simba eto Madagasikara. Tsikaritra hatrany anefa fa ny vahiny tahaka ny sinoa sy ny karana no tena manana tombony amin’ireny lalana vaovao nosokafana tato ho ato ireny. Iaraha-mahita ny fanotorana tany ataon’izy ireo manamorona sy manodidina ny lalam-baovao. Rehefa izay dia vetivety ny fijoalajoalan’ny trano atsangany ary matetika dia anaovan’izy ireo ireny toeram-pivarotana lehibe (centre commercial) ireny. Miharihary ny trano mitsangana manamorona ny boulevard de l’Europe fa saika sinoa sy karana avokoa no tompony. Efa manomboka ihany koa ny fanotorana ataon’ireo vahiny ny amin’ny lalana manodidina an’Antananarivo tahaka ny mampitohy an’i Soavimasoandro sy Ivato, Ambohitrimanjaka sy Ambohidratrimo ary Alakamisy Fenoarivo mankany amin’ny fasan’ny karana. Ny lemak’i Betsimitatatra aza moa efa voatototra ny 2/3 ary efa saika lafo avokoa ireo tanimbary noho ny teny midina. Maro amin’ireo tompony no tsy te hivarotra satria lovan’ny taranaka ary manana ny hasiny (valeur sentimentale) saingy atody miady amam-bato izy ireo ka tsy afa-manoatra. Vokany, mihena hatrany ny tany azo volena ary miakatra ny fanafarana vary ataon’i Madagasikara. Miteraka fivoahan’ny vola vahiny anefa ireny ary mampidina ny lanjam-bola Malagasy (masse monétaire) izay mitarika ny fitotongan’ny Ariary. Mahagaga ihany koa ny hirotorotoan’ny fanjakana hanokatra lalana vaovao izay zara fa vita sy petatoko kanefa maro be ireo lalana mila fikojakojana sy fanamboarana eto an-drenivohitra tahaka ny eny 67 ha, Antanimena, Ambodinisotry. Lasa mahazo vahana hatrany ny vahiny ary an-jorombala ny Malagasy tompon-tanindrazana ka tsy mahagaga raha mampiaka-peo ny mpandraharaha izay tokony ho lohalaharana amin’ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT