TETIKASA AUTOROUTE

Velon-taraina ireo mponina ao Talata Volonondry


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Velon-taraina mafy ireo mponina ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Talata Volonondry

manoloana ilay tetikasa Autoroute, kasain’ny Fitondram-panjakana hotanterahina any an-toerana. Mamelona vahoaka marobe mantsy ireo tanimbary nototofana navadika ho lalana hatreto. Etsy an-daniny anefa efa mananika ny 1.000 Ar ny kapoakam-bary, tsy misy akory hoy ireo mponina na dia kely aza ny tantsoroka hoentin’ny Fitondram-panjakana hanampiana azy ireo. Ny fambolena vary anefa no tena hiveloman'ny mponina any an-toerana amin'ny mahatantsaha azy ireo raha ny fanazavana hatrany izay tokony hohampitomboana aza ny tany hamokarana fa tsy sanatria hahena tahaka izao zava-misy any an-toerana izao indray. Tsiahivina moa fa efa amina ha maro ireo tanimbary efa voatototra hatreto. Tsy mbola misy anefa ny fandraisan'andraikitra ataon'ny fanjakana amin'ireo mponina voakasiky ny fanotofana tany amin'ny fanaovana io "autoroute" io koa hanaovan’izy ireo antso avo.
Pati
Legende : Efa voatototra ary vita lalana tahaka izao ny ankamaroan’ny tanimbary ao Talata Volonondry !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT