Mbola mametraka adihevitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana goavana ny tetikasa
Autoroute » Antananarivo-Toamasina, izay toa betsaka ireo endrika tsy fahamatorana asehon’ny Fanjakana ao anatin’ny fanatanterahana azy. Zava-dehibe ara-toekerana ny fahavitany saingy maro ihany koa ireo loza samihafa mandindona, raha ny fampanenoana lakolosy ataon’ireo firaisamonim-pirenena, mpiaro ny tontolo iainana, tantsaha, olon-tsotra,… Mihamafy amin’izao ny antso avon'ny firaisamonim-pirenena mba tsy hanaovana sorona ny tontolo ambanivohitra sy tontolo ianana manoloana ny tetikasa. Ny olana dia tanimbary 195ha, ala 559ha, riandrano miisa 69, no tototra sy horavana amin’io « tracé » io, hoy izy ireo. 1490 ha ny tandavan’ala na « Corridor » ao amin’ny faritr’alan’Ankeniheny Zahamena sy ny « Aire protégée» na faritra arovana miainga ao Anjozorobe Angavo, ahitana ny ala mikitroka, miampy ny biby ao anatiny izay tsy fahita, toy ny Varika, sy indri indri, ahiana ho voakitika. Ahitana ny 10% amin’ny ala voajanahary eto Madagasikara. Mangataka ny hampiatoana ny tetikasa aloha raha amin’izao endriny izao, ka mitaky ny hisian’ny fandalinana ara-tontolo iainana izy ireo. Mangataka hanajana ny lalàna sy ny fenitry ny faritra arovana. Mangataka mangaraharaha mikasika ny tetikasa toy ny tsenambaro-panjakana,… Miantso fakan-kevitra sy fandinihana iombonana moa ireo Firaisamonim-pirenena manodidina ny 50. Andaniny, manao serasera mafy ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny asa vaventy, ka novoizina ohatra omaly ny fanovana ny làlana ao anatin’ny fanatanterahana ilay ampahany voalohany 80Km Antananarivo-Anjozorobe, fa tsy ho voakasika intsony ny tanimbary sy trano fonenana. Tany amin’ny 2022 dia efa nisy ny fanotofana tanimbary sy tanimbolin’olona maro, kanefa niaraha-naheno ny fitarainana samihafa fa tsy misy voanitra. Mampanahy rahateo ny filazan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy omaly, fa ny andininy voalohany efa voafaritra, ny andininy faharoa sy fahatelo kosa mbola tsy voafaritra mazava. Nambara fa efa nivoaka ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana taorian’ny fanadihadiana ny vahoaka, ary misy ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana. Misy ny toromarika tsy maintsy tanterahan’ny orinasa. Ny làlana dia efa vita daholo ny dingana ara-panjakana, fahazoan-dàlana kaominaly rehetra, hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny asa vaventy. Rehefa zohiana, mety hilamindamina kokoa ny 80km voalohany izay nambara fa 25km hatramin’ny faran’ity taona ity. Ny ambiny manomboka Anjozorobe-Ambatondrazaka-Toamasina izay nambara fa mbola tsy vita fandalinana kosa no tena ahiana hiteraka fitrongisana faritra arovana sy ala an’arivony hekitara. Tsiahivina, fa efa nisy ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny ONE na ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana teo aloha rehefa nilaza fa mbola tsy nahazo fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana ny « Autoroute », ary serasera totoafo no nentina namonoana ny afo. Tsy ny « Autoroute » no ratsy, fa mila fijerena sy fandalinana lalina ihany manoloana ireo ahiahy maro !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.