Fifamoivoizana

Tetezan’i Vohiposa Hovitaina ao anatin’ny 48ora


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Maro amin’ireo lalana sy tetezana tapaka nandritra ny fotoanan’ny rivodoza no tsy mbola miverina amin’ny laoniny amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afatsy ny tetezan’i Vohiposa any amin’ny RN7 mihazo an’i Fianarantsoa sy ny tetezana ao

 

Avaratr’Amboasary any amin’ny RN44 mihazo an’Ambatondrazaka. Mandeha ny fanarenana iry voalohany, raha tsy misy tokotaniny kosa ity faharoa satria tsy mbola nokitihina, raha ny fampitam-baovao satria nisy ny fiviliana na ny “deviation”, saingy mampijaly. Omaly hariva, ohatra, dia voabahan’ny kamio iray izy io, ka dia nikatso teo ny rehetra. Ny any andrefan’i Betafo any amin’ny RN34 kosa dia tohatra no hampiasaina hiakarana amin’ny hantsana be manapaka ny arabe, izay naongan’ny rano. Efa mametraka ny tetezam-by ho an’ny ao Vohiposa kosa ny tekinisian'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy ankehitriny, ka ezahina haverina ao anatin'ny 48 ora ny fifamoivoizana, raha ny vaovao mivoaka. Fahoriana tanteraka ny an’ny olona mpandeha fiara tafahitsoka eo Vohiposa satria raikitra ny fanararaotana, ka tafakatra hatrany amin’ny 15000Ar ny sakafo iray lovia. Ny fahorian’ny sasany tokoa no zary fifalian’ny hafa satria dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra efa tena mangidy no tratran’izany. Tsy maintsy mihinana sy miala vola satria tsy afa-manoatra. Toa mampiseho ny tsy fisian’ny firaisan-kiana sy ny fanararaotam-paty ara-bakiteny, ka dia mifampitsetsitra ny samy Malagasy, fa tsy mahay mifamonjy. Sahirana tanteraka ny fanjakana eo anatrehan’ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa taorian’iny rivodoza Ava iny. Mila mampiseho ny fahaiza-miasa sy manarina haingana anefa, ka izao no tena ilana ilay “gouvernement de combat”, fa tsy lany andro sy manampatra fahefana amin’ny antsojay politika, vao mainka handetika any an-davaka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT