Fifamoivoizana

Tetezan’i Manombe Hadinon’ny mpitondra


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Vitsivitsy ireo tetezana tapaka tanteraka noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsiraï sy Emnati tamin'ity taona 2022 ity ka isan'izany ny tetezana aty amin'ny fokontanin'Antsakaviro Mahasoa, kaominin'Andohan'Ilakaka,

distrikan'Ihosy, manamorona ny lalam-pirenena faha-07, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Raha nandalo teo ny tenanay omaly (TTF: ny sabotsy teo), hoy ny zanatany iray, dia tsy mbola nisy fanamboarana ity tetezana izay mampitohy distrika maromaro mihazo ny faritra Atsimo Andrefana ity. Afaka 3 volana dia higadona ny fotoam-pahavaratra izay manomboka amin'ny volana oktobra amin'ny ankapobeny. Ho tantara sy jeografia ny ho fiampitana rehefa miakatra ny rano. Manaitra ny olom-boatendry fa indrindra ny olom-boafidy rehetra ato amin'ny faritra Atsimo Andrefana mba hanao vaindohan-draharaha ny ho fanafainganana ny fanamboarana ity tetezana ity raha nisy fitakiana ny fanamboarana azy. Mihazakazaka ny fotoana ary mihazakazaka toy izany koa ny raharaham-pirenena ka sao hadinon'ny fitondram-panjakana re? Manàsa anareo solombavambahoaka sy loholona rehetra voafidy ato amin'ny Faritra Atsimo Andrefana mba hiray feo ho tombontsoan'ny vahoaka Malagasy. Fa maninona ny tetezana eo amin'ny kaominin'Iarintsena PK471+100 anelanelan'ny distrikan'Ambalavao sy Ihosy no haingana dia namboarina tamin'ny 9 febroary 2022 taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsiraï? Tonga teny an-toerana mihitsy ny filoha mivady sy ny minisitry ny asa vaventy ankehitriny nijery izany akaiky. Zanaky ny faritra Atsimo ianao andriamatoa minisitra, mba jereo akaiky ny faritra niaviana re tompoko, hoy hatrany ny fitarainan’ity zanatany ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT