Fifamoivoizana

Tetezan’i Mangoro sy Antsapazana Handaniana 23 tapitrisa dolara ny fanavaozana azy ireo


  • Zoma 09 Jolay 2021

Notanterahina omaly 8 jolay tamin’ny alàlan’ny Visio Conférence ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fifanarahana momba ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoro sy Antsapazana amin’ny làlam-pirenena faha 2 (RN2).

 Miara-miombon’antoka amin’izany ny Fanjakana Japoney, tamin’ny alàlan’ny JICA, sy ny Fajakana Malagasy, amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy. Vola mitentina 2 miliara 575 tapitrisa Yen Japoney (23 tapitrisa dolara), fanomezana avy amin'ny Fanjakana Japoney no entina hanatanterahana izany asa fanatsarana ireo tetezana roa amin’ny làlam-pirenena faha 2 ireo izany. Havadika ho tetezana “Béton armé” ireo tetezana vy misy ankehitriny, hiitatra ny velaran’ny tetezana ka hahazaka fiara roa mifanena. « Tetik’asa manan-danja lehibe ity tetik’asa ity satria hanampy amin’ny fanatsarana ny làlam-pirenena faha 2 » hoy ny Ministra Hajo Andrianainarivelo. Ao anatin’ny fiaraha-miasa ihany dia hisy teknisiana japoney hiasa eto anivon’ny Ministera, hanome fanamafisana fahaiza-manao ireo injenieran’ny Asa Vaventy eto amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, amin’ny alàlan’ny fampitana traik’efa amin’ny teknolojia vaovao amin’ny fanamboaran-dàlana sy tetezana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT