Tetezan’i Brickaville

Lehilahy iray maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamio


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamio ny sabotsy teo tany Brickaville,

teo ambonin’ny tetezana ao an-toerana. Ny tongony sy ny lohany no notetezin’ny fiara, ka tsy nisy ala nenina azo natao, raha ny sary avy tany an-toerana. Tsy misy fanazavana mazava mikasika ny antony niteraka ny loza. Heverina ho tsy tsikaritry ny mpamily ny fisiany. Isan’ny manahirana sy tena ilàna fitandremana ny kamio lehibe amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana satria noho ny habeny dia misy ilay antsoina hoe : « angle morte » izay mety tsy ho hitan’ny mpamily ireny fiara lehibe ireny. Tongony hitandrina ny rehetra na ny mpamily na ny mpandeha an-tongotra, na ny samy fiara, satria ny loza tsy mampiomana. Mety ho tsy fitandremana avy amin’ny iray amin’ireo dia mety hitera-doza. Ny lozam-pifamoivoizana rehefa hamoizina ain’olona na niniana na tsia, dia matetika tsy maintsy misy fidirana am-ponja. « Ianareo mpamily mba miadiva mba hanana « assurance personnelle » mba hiarovana anareo fa ny « assurance » fiara tsy maharo anareo fa an'ny fiara ihany. Raha mahay ny mpitory dia ianao mpamily no toriany dia ny « conscience professionnelle » anao izany no takiana izany hoe : efa ao anaty faritra mampidi-doza dia inona no fepetra no raisinao, fiara vaventy no nentinao, lasa nanao « abus de priorisation » izany ianao », hoy ny ampahana fanehoan-kevitra mikasika ireo fiara lehibe sy ny mpamily azy. Entanina hitandrina hatrany ihany koa ny mpandeha an-tongotra satria ny aina tsy ananam-piry.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT