Fifamoivoizana

Tetezan’Ampasika Nifatratra tany anaty rano ilay fiara 4x4


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Fiara 4x4 iray omaly alahady maraina tokony ho tamin'ny 1 ora no nandona ireo arofanina ary nifatratra tany ambany tetezana, teny Ampasika, lalana miazo an’Itaosy.

 Raha araka ny fantatra dia saika hihazo an'Itaosy fiara 4x4 tra-doza ity. Naheno zavatra nidona mafy ireo mponina teny an-toerana, antony nanaitra azy ireo tamin’ny torimasony raha araka ny fanazavana azo. Niendaka mihitsy moa ilay arofanin'ny tetezana noho ny dona mafy nahazo azy. Raha araka ny fantatra hatrany dia lehilahy miisa dimy no tao anatin'ity fiara ity, izay samy avotra soamantsara daholo ny ainy na dia nisy naratra ihany aza. Ankoatra ny olana ara-mekanika mety hahazo ny fiara moa dia anisan’ny antony mety hiteraka loza tahaka izao ihany koa ny fitondrantenan’ny mpamily toy ny fifamoana sy ny fandehanana mafy. Tokony ho mailo hatrany araka izany ny rehetra no sady hitandrina fa tsy hananam-piry ny aina.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT