Fifamoivoizana

Tetezan’Ambohitrimanjaka Afaka mizaka lanja 15 taonina manomboka rahampitso


  • Talata 15 Desambra 2020

Ny sabotsy maraina nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina

 

 

ihany dia tontosa ny fanamboarana ny tetezana mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Antananarivo izay notanterahan’ireo mpiasa avy amin’ny minisiteran’ny asa vaventy, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa. Afaka mifamezivezy hatreto ny olona, moto, bisikileta. Ny ankoatran’ireo moa dia izay latsaky ny 4,500 taonina ihany no afaka mandeha eo aminy mandra-pahafahan’ny rafitra “beton” miaina tsara. Nosakafana ny alahady teo tamin’ny 4 ora ny lalana. Ny alarobia izao (TTF: Rahampitso) kosa dia afaka mandray lanja hatramin’ny 15 taonina ity tetezana ity, hoy hatrany ny fanazavana. Ny resaka fikojakojana ny fotodrafitrasa sy fijerena ny fanatsarana ny fifandraisan’ireo fokontany miisa 25 mandrafitra ity kaominina ambanivohitra ity kosa no dingana manaraka, hoy hatrany ity ben’ny tanana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT