Tetezan’amboasary Ambatolampy

Fiara nihantona, niteraka fitohanana lavareny


  • Talata 05 Septambra 2023

Tapaka nandritra ny ora roa teo ho eo ny lalana niazo ny lalam-pirenena fahafito omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora.

Fiara taxi-brousse iray avy aty Antananarivo nianatsimo mantsy no niantona teo ambonin’ny tetezan’Amboasary Ambatolampy izay marihina fa tsy misy arofanina. Ny ilan’ilay fiara vokatr’izany no tavela teny amin’ny arabe raha efa tafavoaka kosa ny ilany izay saika latsaka raha tsy nisy vato nisakana. Nitohana izaitsizy ireo fiara niazo iny faritra iny vokatr’izany. Nisy ihany ireo niezaka ny nitady vahaolana saingy ireo kodiaran-droa na ny moto ihany no afaka. Voatery niditra an-tsehatra noho izany ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpampiasa iny lalana iny nanetsika sy nisintona io fiara io ka tokony ho tamin’ny 09 ora maraina tany ho any vao voavaha ny olana. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Miantso ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena fahafito araka izany ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra mba samy hitandrina ka tsy handeha mafy, indrindra amin’ny fampiasana ireny tetezana tsy misy arofanina ireny izay marihina fa marobe tokoa hatrany amin’ny lalam-pirenena fahaefatra.
Pati Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT