Fifamoivoizana

Tetezana tapaka any Ambatofinandrahana Tsy raharahiana satria MAPAR ny depiote?


  • Talata 30 Janoary 2018

Mametra-panontaniana ny mponina hoe raha HVM ve ny depiote voafidim-bahoaka tao Ambatofinandrahana Christine Razanamahasoa avy amin’ny MAPAR sy ny depioten'Ambositra Hary Andrianarivo avy amin’ny Mampiray dia tsy namboarina ny tetezana mihazo an’Ambatofinandrahana ao Andranonanakova?

Mihotsaka sy simba tanteraka ny tetezana iray ao anatin’ny lalàm-pirenena faha-45 mankany Ambatofinandrahana iny, saingy tsy hay aloha na mba hitan’ny mpitondra ihany na hodiany tsy hita. Toa tonga amin’ilay fitenenana hoe: “aleo ho hitan’ny havany eo” satria tsy ao anatin’ny antokon’ny fitondrana ireo olom-boafidy avy any an-toerana. Ny resaka antoko sy firehana politika izany no  hanaovana sorona ny olom-boafidy sy ny vahoaka nanohana azy, ka tsy raharahiana ny rehefa tojo ny sarotra? Miandry ny vahoaka any Ambatofinandrahana, ka tsy hay aloha na hisy hihaino ihany na ahoana fa ny andikan’ny rehetra azy aloha dia famaizana ireo olom-boafidy sy ny vahoakany ny tahaka izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT