Fifamoivoizana

Tetezana mampifandray an’Ankadivato sy Ampahibe Hotapahana manomboka amin’ny jolay


  • Zoma 29 Jona 2018

Hita ho efa somary tranainy ihany ny tetezana mampitohy an’Ankadivato sy Ampahibe na ilay eo amin’ny antsoina hoe Vallée de l’Est iny, raha ny fanazavan’ny tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Landy Raveloson.

Noho izay antony izay dia hisy ny fanamboarana azy io izay hiteraka fahatapahan-dalana amina faritra maromaro. Efa misy anefa, hoy izy, ny fepetra horaisina mialoha mba tsy hampitohana ny fifamoivoizana ka anisan’ny halalahana iny avy any Besarety sy Ambaranjana iny, ohatra. Toy izany koa ny avy any Ampasampito. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny CUA tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mikasika ny fanadiovana an’Antananarivo na ilay hoe PIAA vatsian’ny FED na sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana vola moa izy ity, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT