Fifamoivoizana

Tetezana ao Ivohibe Tapaka efa ho efa-bolana izao


  • Talata 30 Jona 2020

Efa-bolana izao no tsy afaka nifamezivezy intsony ny mponina ao anatin’ireo distrika maromaro any amin’iny lalam-pirenena faha-27 iny hany ka mihitsoka tanteraka ny vokatra.

 

 

 

 

Vokatry ny fahatapahan’ny tetezam-by iray ao Ivohibe, mampifandray ny distrikan’i Vondozo amin’i Farafangana no antony mahatonga izany. Raha araka ny fantatra dia efa tamin’ny taona 1968 no naorina ity tetezam-by iray ity. Tamin’ny taona 1970 izy no notokanana ary tsy mbola nisy mihitsy ny asa fikojakojana natao taminy. Ranobe mangeniheny anefa no ao ambaniny hany ka tsy hita mihitsy izay lalana azo foronina hahafahan’ireo fiara lehibe toy ny kamiao mivoaka. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ireo mpampiasa lalana any an-toerana sy ny mponina mba hijery akaiky ity olana sedrain’izy ireo ity. Tsiahivina moa fa vokatry ny fahanteran’ny foto-drafitrasa no antony nahatapaka ity tetezam-by iray ity.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT