TETEZANA AO ANKILIZATO RN 34

Ahiana hitera-doza ho an’ny mpampiasa lalana


  • Talata 04 Jona 2024

Ahiana hitera-doza ho an’ny mpampiasa lalana any amin’ny lalam-pirenena faha-34

miazo ny distrikan’i Morondava ny tetezana ao Ankilizato. Tapitra miala avokoa mantsy ilay hazo lehibe handehanan’ny fiara miaro ireto farany tsy hilatsaka any anaty rano raha toraka izany ihany koa ny mpandeha. Raha araka ny fanazavana azo dia efa amam-bolana no nisy olana tahaka izao io tetezana io saingy tsy misy mpijery. Efa nanaovana antso avo ihany koa ireo tompon’andraiki-panjakana saingy tsy fantatra na tsy te-handray andraikitra na mody tsy mahalala. Matahotra mafy vokatr’izany ireo mpampiasa lalana indrindra fa ny amin’ny alina. Ilana jirobe mantsy mazava io tetezana io vao afaka mandeha mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe ao an-daniny efa mihamanakaiky, fotoana tena mahabetsaka ireo mpivezivezy.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay tetezana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT