Fifamoivoizana

Tetezana any Fiadanana sy Mangasoavina Ankazobe


  • Talata 22 Aogositra 2017

Hifanilihan’ny Faritra sy ny minisitera ny fanamboarana azy

 

Efa volana marobe izao no nisedra olana tanteraka vokatry ny fahatapahan’ilay tetezana ao aminy faritra misy azy ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fiadanana sy Mangasoavina samy ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Mirefy 33 metatra io tetezana io izay mampifandray azy ireo ary tsy maintsy hitaingenana lakana rehefa manomboka miakatra ny rano ary tsy afa-manoatra fa tsy maintsy mijoboka kosa ireo fiara lehibe mpitatitr’entana toy ny kamiao. Hifanilihan’ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny Faritra Analamanga anefa ny manamboatra io fotodrafitrasa io araka ny fitarainan’ny mponina. Ho an’ny Faritra iny dia anisan’ny valin-tenin’izy ireo ny tsy fananany tetibola hahafahana manatontosa ny asa raha araka ny fanazavan’ireo mponina hatrany raha tsy any amin’ny lalam-pirenena kosa no misy io tetezana io ka tsy andraikitry ny miinisiteran’ny asa vaventy ny manao azy ho an’ireto farany. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana, araka izany, ny mponina. Rehefa tena miakatra mantsy ny rano dia tafakatra 10.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray mihazo ireo kaominina ireo miala ao Ankazobe.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT