Teoerana fiandrasana taksibe

Sady ratsy lalana no tsy misy jiro ny etsy Andohan’Analakely


  • Talata 05 Septambra 2023

Saika matahotra ny ainy avokoa ireo mpiandry taksibe etsy Andohan’Analakely isan-kariva.

Sady maizin-kitroka tsy misy jiro manazava mantsy iny faritra iny no feno lavadavaka ihany koa ny lalana. Mitsapatsapa avokoa vokatr’izany ireo taxibe sy mpampiasa lalana rehetra raha vantany vao manomboka amin’ny 06 ora hariva raha toraka izay ihany koa ny mpandeha. Ho an’ireto farany manokana dia roa isan-kerinandro no voaendaka raha kely, raha araka ny fitarainana azo. Saika ireo mpiasa avy miasa avokoa mantsy no kendren’ireo mpanendaka, ireto farany izay tsy fantatra intsony na ireo mpatory an-dalana eny amin’iny faritra iny na olon-kafa mihitsy. Saika feno mpatory an-dalana daholo ihany koa mantsy ireo tobim-piantsonana eto an-drenivohitra ka misy ireo tsy miala amin’izany toerana izany mihitsy manomboka maraina mandrapaharivan’ny andro raha misy ihany koa ireo mitsangana mandeha mangataka sy mitady sakafo. Antso avo araka izany no hataon’ireo mpiandry taksibe eny Analakely sy ny manodidina amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba handray ny andraikiny. Diso be loatra mantsy ireo karazana foto-drafitrasa iankinan’ny aim-bahoaka ilana fikarakarana nefa toa jerijeren’ny kaominina fotsiny.
Pati
Legende : Feno olona tsy manan-kialofana tahaka izao koa eny amin’ireo tobim-piantsonana sasany eny Analakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT