Tena izy sa sinema ?

Bedin’ny PM ny minisiteran’ny asa vaventy


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Tsy azo ekena velively ny mahita ireo orinasa mahazo tsenam-barom-panjakana amin’ireo asa làlana ireo kanefa tsy

afaka miasa noho ny tsy fisian’ny fitaovana azo ampiasaina ka miteraka fahatarana goavana amin’ny fanomboahana ny asa. ». Hita ho sosotra ny praiminisitra Ntsay Christian omaly nandritra ny fandraisam-pitenenany raha nihaona tamin’ ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny asa vaventy teny Mahazoarivo. Tsy tokony misy ny kintranoantrano na tandrevaka amin’ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny ministera na eo amin’ireo tetikasa vatsin’ireo mpiara-miombon’antoka ka mitarika amin’ny fahatarana goavana eo amin’ny fanatanterahana ny asa, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny primatiora. Hentitra ihany koa ny Praiminisitra ny amin’ny hamerenana maika ny fepetra mahakasika ny lanja farany ambony azon’ireo fiara vaventy entina, izay antony iray goavana nanafaingana ny fahapotehan’ireo lalampirenena eto amitsika. Tsy maintsy averina miasa ao anatin’ny fotoana fohy ireo « Stations de pesage » eo amin’ny lalampirenena rehetra eto amintsika ireo. Nisy moa ny dinik’asa hafa ankoatr’ireo tahaka ny momba ny flyover sy ny Autoroute na ihany koa ny momba ny fonds routiers.
IZAO VE VAO MIKORAPAKA ?
Mampametra-panontaniana ity fivoriana omaly teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo ity hoe tena izy ve sa sinema. Raha ny marina mantsy dia tsy voa izao no mihisatra be tahaka ny sokatra ny fanamboarana na fikojakojana ny lalana. Efa ela ny gaboraraka ny fanaraha-maso ny lanjan’ireo fiarabe mandeha amin’ny lalam-pirenena noho ny olana teo amin’ireo toeram-pandanjarana na « stations de pesage » ka nisana fitonokan’ny mpiasa naharitra. Olana efa ho taona izany ary maro be ireo efa nanaitra ny fanjakana sy nisintona lakolosy hoe mba jereo ity manko ny lalam-pirenena ity fa toa natoritory. Omaly 10 septambra taitra tampoka teo dia hoe mila haingana miasa, fa sao manahirana ka ho tezitra eo angamba ny mpamatsy vola dia ho votsotra ny vola tokony hanaovana ny tetikasa. Dia miandry tairin’ny olona faon ave vao mihetsiketsika fa inona foana no natao hatrizay, firifiry ireo niteny hoe RN nahazatra hatrizay aloha kojakojaina sy amboarina fa izany autoroute izany mbola tsy fantatra hoe ho vita afaka firy taona, ny entana anefa mivezivezy isan’andro mandava-taona. Sa efa kajikajy politika mialohan’ny propagandy sy ny fifidianana indray ity, na paikady hanilihana tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT