Teleferikan’Antananarivo

Iray volana aty aorian’ny andrana, mbola ankamantatra ny tohiny


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

21 jona – 21 jolay 2024 : feno iray volana katroka omaly alahady no nitondra olona voalohany ny teleferika,

ka nisantatra izany filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny mpitondra fanjakana, ary koa ny masoivoho frantsay, zotra Anosy – Soarano, nandroso sy niverina no natao tamin’izay.

MBOLA ANKAMANTATRA

Andrana tokoa angamba no filaza azy fa taorian’izay iray volana izay rehefa nodinihina sy nadihadiana dia tsy mbola misy daty mazava voafaritra aloha hoe rahoviana no azon’ny daholobe taingenana amin’izay ity teleferika na Transport par Cable ity. Ny zotra misy rahateo dia mbola Anosy-Soarano ihany, miainga eo ampitan’ny hotely Carlton ka mijanona ao ambadiky ny tsena Petite Vitesse.Mifanakaiky eo ihany moa ny garan’ny teleferika sy ny garan’ilay « train urbain » izay tsy hita popoka ihany koa hatreto, efa tazana miantsona ao anefa ireo lamasinina. Ary ny hita dia misy vy amin’ny tafo ireo « wagon » izay midika fa tokony mandeha amin’ny herinaratra izy ireo fa tsy hoe tarihina lohamasinina tahaka ny nahazatra teto. Any amin’ny taona 2025 any vao mety tena hiasa ireo fitaovam-pitaterana naha mendimendy ny fitondrana Rajoelina ireto raha ny re, satria raha ny fantatra dia sady mbola tsy misy ny orinasa hitantana azy no mbola mitoetra ihany koa ny ahiahy ny amin’ny hoe tena hampidi-bola ahafahana mamerina ny vola lany tokoa ve izy ireo.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT