Teleferika, trosa be baben’ny Malagasy

Raikitra indray ny andrana hanodinkodinana saim-bahoaka…


  • Alarobia 05 Jona 2024

Taorian’ilay andrana natao tamin’ny kalesa na cabines miisa 3 ny 22 mey lasa teo,

dia hatao anio alarobia 05 jona amin'ny 8:30 maraina ny andrana fandefasana ireo cabines 27 ho an'ny zotra volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Milina mpihary herinaratra manokana efa mipetraka etsy amin’ny Gara Anosy no voalaza fa hampiodinana izany ao anatin'ny andrana fa tsy mbola mifandray amin’ny an'ny Jirama, raha ny seraseram-panjakana omaly. Eo anelanelan'Anosy-Soarano no handeha kosa no handeha ny andrana. Kasaina handeha sy ho tomombana mialohan’ny fetim-pirenena moa io. Tsiahivina hatrany fa 153 tapitrisa Euros na 800 miliara Ar eo no natontona tamin'ny teleferika, izay vola notrosaina amin'ny ankapobeny. Anisan’ny tetikasa nahazoan’ny fitondrana ankehitriny kiana maro sosona, eo anatrehan’ny tsy fahatomombanana manerana ny Firenena, kanefa ny fitondram-panjakana mitrosa volabe tsy toko tsy forohana misoratra amin’ny anaran’ny Malagasy. Karazan’ny haingo ambony tsikoko ho an’Antananarivo raha tarafina amin’ny fikorontanan’ny renivohitra, ny fari-piainanan’ny vahoaka. Mbola azo atao foana ny kajikajy hoe : raha 4000Ar isaky ny mitaingina izany, dia 8000Ar mandroso sy miverina, 40000Ar ao anatin’ny 5 andro, 160000Ar ao anatin’ny iray volana. Efa vita sy natao moa io, dia irariana ny mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany satria vola notrosaina tamin’ny anaran’ny Repoblikan’i Madagasikara fa tsy tamin’ny anaran’ny TGV. Ara-teknika sy ara-toekerana, tena hahafoana ny fitohanan’ny fifamoivoizana tokoa ve eo anatrehan’ny tsy firaharahiana ny fanamboarana sy ny fikojakojana ? Ao anatin’ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena no hanaovana ity andrana ity ka toa mampanahy ihany hoe : sao mba hoentina hanodinkodinana saim-bahoaka eo anatrehan’ny mety ho teti-dratsy hanodinkodinana ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana. Mbola resaka hafa ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena maro samihafa izay zary hodiana adala sy hanaovana bemarenina eo anatrehan’ny fanairana sy fampanenoana lakolosy samihafa. Mbola somokotra any amin’ny kajy politika maloto samihafa rahateo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT