Teleferika

Tena nivaha sy nihena ve izao ny « embouteillage» ?


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Mijanona ho fialàmboly hatreto ny teleferika ho an’ny

ankamaroan’ireo mponina eto Antananarivo, raha ireo fanehoan-kevitra voahangona momba ity fitateram-bahoaka azo lazaina ho mbola vaovao eto Madagasikara ity. Tsy mivaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana na «embouteillage» na eo aza izany, raha ny hita hatreto aloha, indrindra amin’ireo ora fiasàna sy anatin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Vao ny zotra volomboasary moa no mandeha fa andrasana tokoa, araka izany, ny mety ho fiovany rehefa ampandehanina ireo zotra hafa. Ireo mpianatra izay nambara ho misitraka tapakila manokana izany efa nohamarinin’ireo mpanara-baovao sy ray aman-drenina mpianatra samihafa fa tsy isan’ireo voatsinjo ao anatin’izany akory satria tsy misy dikany raha toa ka miditra amin’ny 7 maraina ny mpianatra kanefa amin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina ny fahafahan’izany fitaovam-pitaterana izany mandeha ny maraina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT